Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanohanana fampianarana any Atsimo : nanome 4,16 tapitrisa dolara i Norvezy

Nanome fanampiana vaovao ho an’ny fanabeazana eto Madagasikara ny fanjakana norvezianina ary vita ny volana jona lasa teo ny fa­naovan-tsonia ny tohana. Mitentina 4,16 tapitrisa dolara ny sorabola hampiasaina mandritra ny enim-bolana faharoa, amin’ity taona ity hanalefahana ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19 eo amin’ny fampianarana. Hi­antefa amin’ny faritra telo izany : Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana ny fanampiana ka ny BIT sy ny PAM ary ny Unicef no nampiandrai­ketana ny asa mifandraika amin’izany, araka ny fampitam-baovao azo. Hatokana iadiana amin’ny fialan’ny kilonga an-daharana any an-dakilasy sy hanampiana ireo tena mahantra ny fanampiana azo. Ho voasahana ao avokoa ny fizarana sakafo any an-tsekoly ho an’ny mpianatra 102 000, fa­nampiana ny an­kizy 31 000 tokony hiverina any an-dakilasy ary fanorenana efitrano fianarana vaovao miisa 48. Hi­zarana fitaovana fanabeazana koa ny sekoly 1500. Nanatrika ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa ny solonte­nan’ny Uni­cef eto amintsika, i Michel Saint-Lot sy ny tom­pon’an­draikitra ao amin’ny masoivohon’i Nor­vezy, i An­dreas Da­nevad.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.