Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Covid 19-Lomano : efa mihatsara ny fahasalaman’i Vola sy ny vadiny

12 andro, anio, ny nitondran’i Harivola Marie Sarah (ex DTN Lomano) sy ny vadiny ny tsimokaretina Coro­na­virus. Raha ny resaka farany ni­fanaovana taminy, efa misy fahatsarana ny fahasalaman’izy mivady amin’izao fotoana izao. Manaraka ny fitsaboana ara-medikaly sy ara-pomba malagasy, toy ny fampiasana tambavy sy fanaovana evoka isan-kariva izy ireo, vao nanomboka nidiran’ity tsimokaretina ity. Ma­nampy betsaka an’i Vola mianakavy ny dokotera iray, izay fianakaviany ihany amin’ny fanaraha-maso ny fahasalamana sy fanarahana ny fanafody. Tsa­pan’izy mivady fa efa tsy dia reraka firy intsony izy ireo, tsy sempotsempotra intsony, saingy mbola heno foana ilay manaintaina ao amin’ny tratra. Mari­hi­na, tsy mbola tratran’ity tsimokaretina ity ilay zanany lahy ary mbola hita ho matanjaka tsara no tsy mampiseho soritr’aretina hatreto, raha ny fanazavana hatrany. Na izany aza, tsy mbola mifampikasokasoka amin’izy mivady mihitsy aloha ity zanany ity. Tsy manadino ny misaotra hatrany ireo havana, namana, manolo-tanana sy mitondra am-bavaka ary mankahery i Harivola Marie Sarah mianakavy.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.