Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kick Boxing-Maitre Gildas: manome fampikotranana an-trano

Kick Boxing-Maitre Gildas: manome fampikotranana an-trano

Miroborobo amin’izao fotoan’ny fihibohana izao ny fanaovana fanazaran-tena sy fikotranana ao an-trano noho ny tsy fahafahana manatona ireny toeram-pikotranana ireny. Maro ireo manam-pahaizana manokana sy mpampikotrana no te hizara ny traikefany sy hanampy ny mpiara-belona aminy, isan’izany i Maitre Razanajatovo Gildas André, isan’ireo kalaza teo amin’ny taranja Kick Boxing. Ho fanampiany ireo mpanao fanatanjahan­tena manome fampikotranana an-trano izy amin’izao fihibohana izao, izany hoe izy mihitsy no manatona any amin’ny toerana misy ilay olona maniry hikotrana. Misokatra amin’ny sehatra rehetra Maitre Gildas, indrindra ny mahakasika ny Kick Boxing, eo ihany koa ny fanenana vatana sy ny fitaizam-batana isan-karazany.
Tsiahivina, nanana ny naha izy azy teo amin’ny tontolon’ny Kick Boxing Razanajatovo Gildas, imbetsaka nahazo ny fandresena teo amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara sy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary mpanazatra nikoizana, nanomboka ny taona 2020 teo amin’ity taranja ity.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.