Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fankatoavana ny fepetra: mankasitraka ny fahendren’ny mpanao fanatanjahantena ny minisitra

Isan’ireo manana ny andraikiny amin’izao toe-draharaha, amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina Coronavirus eto Madaga­sikara izao, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Manoloana izany, tsy mitsahatra ny manentana ny tontolon’ny fanatanjahantena ny minisitra Tinoka Roberto amin’ny fanajana ny fepetra, toy ny tsy fahafahana mikarakara hetsika fanatan­jahantena, mikatona avokoa ihany koa ny toeram-pikotranana sy ny dojo rehetra, ho an’ny « arts martiaux ». Nanamarika ny minisitra fa tena nanaraka ny fepetra napetraka ny tontolon’ny fanatanjahantena ka tena ankasitrahiny tanteraka. « Mankasitraka amin’ny fanajana ny fepetra napetraka hatramin’izay ka hatramin’izao », hoy izy, taorian’ny filankevitry ny minisitra ny alahady lasa teo. Natao izany ho fitandroana ny fahasalamana sy hiadiana amin’ity tsimokaretina Coronavirus ity ka tsy ho ny fanatanjahantena sy ny tanora mihitsy no ho fototra hampihanaka ity areti-mandoza ity eto amintsika.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.