Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Alefa Analamanga a!

Alefa Analamanga a!

Lasa ny andro voalohany! Hanao ahoana ny anio? Raikitra, nanomboka omaly, aloha izany ny fidirana amin’ny fihibohana ho an’Analamanga. Voa­marika fa mbola marobe ireo olona nifamezivezy teny an-dalana rehetra teny. Tahaka izany koa ireo fiara tsotra. Ny taxi-be tsy niasa fotsiny no mampiavaka azy amin’ny anda­vanandro, ny tapak’andro maraina. Mbola feno fitangoronana ny toerana sasany. Naningana ny moto fa mbola nahitana taingin-droa. Taxi-moto mihitsy ny sasany. Afaka tamin’ny sakana nataon’ny mpitandro filami­nana noho ny fafy lainga na ny fandresena lahatra tsy mitombina… Nitohana ny fifamoivoizana teny Ampitatafika teny. Tsy mazava ny fandaminana sy ny toromarika? Tsy vitan’izany fa tsy olona iray natao hiantsena ny fahitana ny sasany teny rehetra eny. Lasa avadiky ny hafa indray ka ny iray, miandry trano fa ny sisa, mandeha mivoaka avokoa. Aleo hazava tsara ny fepetra sy ny toromarika mba tsy ho eo amintsika mandrakariva ilay voalohany amin’ny fimenomenomana fa gisitra amin’ny fanarahana fitsipika. Aoka hahay hitony ao anatin’izany rehetra izany. Mbola hitohy lavareny io fanapahan-kevitra amin’ny fihibohana io raha tsy mivonona ny hiaraka hiova isika. Zary lasa mahazo tsiny hatrany ny fan­jakana. Mila mitandrina sy mailo amin’ny fiarovantena raha tsy maintsy hivoaka ihany. Nahoana no voafehy ity areti-mandoza ity tany Fianarantsoa sy tany Toamasina, foiben’ny valanaretina teo aloha? Mba tsy ho ambakan’izany ny eto. Mbola hita taratra ny tsy fanatanterahan’ny sasany ny fepetra. Ny omby indray mandry… Eo foana hatrany. Aza iandrasana ny fidiran’ny mpitandro filaminana any anaty tanàna any miaraka amin’ny sazy henjana vao ho taitra e! Raiso ny andraikitra.
Etsy andaniny, tsy niova firy amin’ny andavanandro ny vidin’entana afa-tsy ireo pitsompitsony madinika : saka­malaho, voasarimakirana… Ni­verina nalaza tampoka indray ary voizina any anaty tambajotran-tserasera any fa mahomby aloha, hatramin’izao. Na inona na inona aloha, tafita amin’ny ankamaroan’ny maro ny hafatra ny ho amin’ny fi­hibohana. Tsy mora ary tena sarotra, saingy resintsika io rehefa miara-mirona ny rehetra. Alefa Ana­lamanga a!

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.