Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Teo am-pamakiana trano: lehilahy dimy voasambotra

Teo am-pamakiana trano: lehilahy dimy voasambotra

Voasambotry ny polisin’ny Fip ao Toamasaina, omaly, ny lehilahy miisa dimy. « Lehilahy dimy mpamaky trano eny amin’ny faritra Verrerie sy eny Tsarahonenana ireo tratra omaly ireo », hoy ny fanazavan’ny polisim-pirenena, loharanom-baovao. Tonga teny amin’ny toby misy ny Fip ao Verrerie ny andrimasom-pokonolona, omaly, tokony ho tamin’ny 4 ora maraina. Nitondra lehilahy iray tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ireo. « Maromaro ireo jiolahy nanantanteraka ny asa ratsy fa tsy io tratra io ihany », hoy ireo andrimasom-pokonolona. Taorian’izay, nanao fanadihadiana ny polisy ary nikaroka ireo tafaporitsaka. Fantatra, araka izany, ny toerana nisy ireo jiolahy efatra ka tra-tehaka tao an-tranony izy ireo. Hita tamin’ny fisavana ireo fitaovana fampiasany amin’ny asa ratsy. Isan’izany ny antsy lavalela, ny « barre-mine », ny « coupe-coupe », ny saron-tava, ny « lampe de poche » ary ny famaky. Hita tao koa ny entana nampiahiahy rehetra, toy ny « écran plat », ny « imprimante », ny « amplificateur » ary ny “lecteur CD ». Nosamborina ireo olon-dratsy ary nanaovana fanadihadiana.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.