Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nandamoka ny grevy: tsy mahazo miasa ny taxi-be

Nandamoka ny grevy: tsy mahazo miasa ny taxi-be

Nanao fandrahonana hitokona ny mpitatitra taxi-be, anio alatsinainy. Antony, tsy eken’izy ireo ny lazainy fa fanararaotana atao amin’izy ireo, amin’ny onitra 150 000 Ar isan’andro, mandritra ny 10 andro, ny fampidirana am-ponja vonjimaika (violon) 48 ora ny mpamily sy ny mpanampy, raha sendra misy mpandeha tsy manao aron-tava, ny tsy fisian’ny “gel” fisasan-tanana, sns. Nandamoka tsy tanteraka anefa izany satria namoaka didy ny fanjakana, notapahina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny sabotsy 4 jolay teo. Tsy mahazo miasa avokoa ny taxi-be, manomboka anio, satria nohamafisina ny fihibohana eto amin’ny faritra Analamanga. Tsy misy fiara mpitatitra olona mahazo miasa, afa-tsy ny taxi irery ihany ary olona roa ihany ny mpandeha azo entina, hitondra marary, mividy fanafody na ho any amin’ny toeram-pitsaboana.

Gaboraraka

Anisan’ny fomba iray tena hifindran’ny tsimok’aretina Covid-19 ny fitaterana. Tsy afa-bela amin’izany ny taxi-be satria tery dia tery ny seza fitoerana (tsy voahaja ny elanelana 1m), na efa tsy mahazo asiana olona intsony aza ny seza amin’ny lalantsara (stranpontin). Eo koa ny gaboraraka ataon’ny mpamily sy ny mpanampy azy ary ny mpandeha, tsy mampiasa araka ny tokony ho izy ny aron-tava, izay tsy tokony hoesorina na hakisaka mihitsy. Izay no mety nahatonga ny fanjakana nandray fepetra tsy namela hiasa ny taxi-be, manomboka anio hatramin’ny 20 jolay. Azo adika fa nivaly ny fangatahan’ireto mpitatitra ireto, nandrahona hitokona tsy hiasa.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.