Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Nanambara ny mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny distrikan’Ambohimahasoa fa tsy hanao sakana ara-pahasalamana intsony izy ireo ho fiarovana ny ainy. Tsy ampy mihitsy ny EPI entina miatrika ny asa ka manahy izy ireo, toy izany koa ireo miasa eny amin’ny CSB sy ny hopitaly, araka ny fanambarana nataon’izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Ireo miainga avy lavitra any ambanivohitra hanatanteraka rahateo ny asa, tsy misy tohana sakafo na zavatra hafa fa mahatsiaro ho sahirana.

Tsy mbola azo atao ny manao famadihana ao amin’ny distrikan’ i Fandriana, araka ny fanapahan-kevitry ny mpitantana ny tanàna. Voarara rahateo ny famoriana olona maro. Ho hentitra amin’ny faharaha-maso ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana ny tomponandraikitra. Norarahina fanafody ny toeram-piantsonan’ny fiara ao an-toerana hamonoana ny tsimokaretina. Ho an’ny mpandevina kosa, manomboka amin’ny 7 ora-5 ora hariva ny fotoana azo anatanterahina izany.

Les commentaires sont fermées.