Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihibohana ho amin’ny 15 andro: handray fepetra henjana ny mpitandro filaminana

Fihibohana ho amin’ny 15 andro: handray fepetra henjana ny mpitandro filaminana

Nitondra fanazavana antsipiriany amin’ireo fepetra hampiharina, amin’izao hidirana fihibohana anatin’ny 15 andro izao, ny mpitondra. Anisan’ny nanazava ny momba izany ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Jly Ravalomanana Richard.

« Mbola hihenjana bebe kokoa ny fepetra ary hosazina iray andro tontolo ireo tsy manaraka ny toromarika. Ohatra, ny fanadiovana lakandranon’Andriantany », hoy izy.

Aza mivoaka ny trano

Hoesorina ny fahazoan-dalana mamily « premis » ho an’ireo fiara, ny taxi-moto, ny fiara tsotra mitatitra antsokosoko olona ary hotsoahina ny « licence » ho an’ireo fiara mpitatitra manao izany. Andraisana fepetra ny fiara mbola mivoaka na miditra ny faritra Analamanga« Aza mivoaka ny trano raha tsy misy antony manokana mihitsy… Mijanona ao an-trano raha mbola azo atao », hoy izy.

Nampahatsiahy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina fa mahavosazy ny tsy fitondrana aron-tava. Ny fivoriana rehetra na latsaky ny 50 aza, voarara koa. Miato tanteraka ny fotoam-pivavahana any am-piangonana na koa ny hetsika kolontsaina sy ny fanatanjahantena rehetra. Hisy ny  famendrahana fanafody ny tsena sy ny eny ankalamanjana na toerana be mpampiasa isaky ny tolakandro.

Ho avy ny Vatsy tsinjo…

Hivoaka amin’ny herinandro ny « Vatsy tsinjo » ka anisan’ny hisitraka izany ny boriborintany I sy ny fahadimy, ahitana ireo marary maro, mitondra tsimokaretina. « Hojerena ireo marefo rehetra tokony hahazo izany », hoy izy. Nanteriny koa fa miato koa aloha izany ny fampianarana ary hambara aorian’ny 15 andro ny datin’ny fanadinam-panjakana.

Etsy andaniny, anisan’ny nambaran’ny minisitry ny Varotra sy ny indostria kosa ny tsy fahatapahan’ny asam-panjakana. « Misy hatrany ny asa farafahakeliny « service minimum », hatramin’ny 12 ora. Aorian’izany ny fanadiovana ny toeram-piasana sy ny biraom-panjakana, na koa ny sehatra tsy miankina », hoy izy.

Mihidy amin’ny 12 ora ny tsena rehetra

Ny tsena kosa, mihidy amin’ny 12 ora antoandro avy hatrany, misy hatrany ny fanadiovana.

Tsy afaka misokatra kosa ireo toeram-pisakafoana sy fisotroana, ny kojakojam-pitafiana, ny toerana fikarakarana endrika amam-bika na volo. « Hisy ny fidinana ifotony ataon’ny « Task force » mitsirika izany ary manidy ny tsena rehetra… », hoy ihany izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.