Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CMC – Tanàna Voara: efa misy manao andrana amin’ny tsindrona

CMC – Tanàna Voara: efa misy manao andrana amin’ny tsindrona

 

 Tao anatin’ny roa andro voalohany nisokafan’ny Centre médical Covid -19 eny amin’ny Tanàna Voara Andohatapenaka, nahatratra 1 247 ny isan’ny olona tonga nanatona ka ny 887 tamin’ireo, voatery nanaovana fakana singa manokana PCR, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eny an-toerana. Ny andro voalohany, nandray olona 582 ny CMC ary 369 ny nilana natao PCR. Taorian’ny fanentanana fa ireo manana soratr’aretina ihany no tokony ho tonga eny, nihena ny isa. “Mizara roa ny fandraisana, ao ny milahatra hanao fakana singa, manana toeram-pandraisana koa ireo efa voatily fa marary ka manaiky ny hanaovana andrana amin’ny tsindrona roa Artésunate sy vitamine C atambatra”, hoy ny dokotera misahana ny andrana, ny profesora Ratsimbasoa Arsène. Ireo tranga Coronavirus tsotra no azo raisina an-tanana eny fa ny seho manahirana, tokony halefa eny amin’ny hopitaly. Mizara tapakila ny tomponandraikitra handrindrana ny fandraisana ary mandray ny tranga hamehana ny CMC amin’ny alina. Mihodina 24 ora tsy tapaka ny ivontoerana eny Andohatapenaka. Mitsahatra ny asa amin’ny 12 ora-2 ora tolakandro fa diovina avokoa ny toeram-pandraisana, mbola averina izany amin’ny 6 ora hariva-8 ora alina hitandroana ny fahadiovana.

Antsoina an-telefaonina ireo tonga nanao fitiliana rehefa mivaly. Amin’izao fotoana izao, efa maromaro ny marary mijanona eny amin’ny CMC tsaboina amin’ny fomba fitsaboana fahatelo.

Mitombo be ny singa tonga eny amin’ny LA2M

Nangataka teknisianina fanampiny kosa ny laboratoara LA2M eny Androhibe mandray ny fakana singa avy eny amin’ny CMC isan’andro. “Nitombo be ny singa tonga eny an-toerana ka mahatratra 600 mahery mandritra ny andro iray raha 200 ny teo aloha”, hoy ny mpitantana ny laboratoara, ny dokotera Andrianarivelo Andry, raha nitsidika teny ny minisitra ny faran’ny herinandro teo. Efa nanome toky ny minisitra mpiahy, ny profesora Ahmad Ahmad, fa hojerena haingana izany fangatahana izany. Tokony tsy hihoatra ny 72 ora ny fahazoana ny valin’ny fitiliana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.