Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

MMRS: fiara 4×4 10 haparitaka manerana ny Nosy

MMRS: fiara 4×4 10 haparitaka manerana ny Nosy

 Nahazo fiara tsy mataho-dalana 4×4 miisa 10 ny sampana Polisin’ny harena an-kibon’ny tany, sy ny sampandraharaham-paritra, ny alakamisy 2 jolay teo. Nambaran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), Ravokatra Fidiniavo fa tsy handefitra manoloana ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalana samihafa ny minisitera. Fanoitra lehibe hanarenana ny toekarena ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Andraikitry ny Polisin’ny harena an-kibon’ny tany ny manenjika ny mpitrandraka tsy ara-dalàna, miaro ny zon’ireo mpitrandraka manara-dalàna ary miady amin’ny kolikoly. Vina sy fanambin’ny minisitera ny mampiditra ny tamberim-bidy betsaka, mampivoatra ny firenena. Tetibola efa voafaritra tamin’ny taona 2019 no nividianana ireto fiara ireto.

Ahitana polisy, zandary, sivily, teknisiana, injeniera ary mpitsara ny mandrafitra ny polisin’ny Harena an-kibon’ny tany.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.