Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra sy ny coronavirus: betsaka ireo ekipa mety ho rava

Kitra sy ny coronavirus: betsaka ireo ekipa mety ho rava

Nisy fiantraikany betsaka teo amin’ireo klioba miatrika ny fifaninanam-pirenena amin’izao fotoana izao ny fisian’ilay valanaretina coronavirus. Vokatr’izay, maro ireo klioba mety ho tratry ny faharavana. Matetika mantsy miankina amin’ny orinasa ny fiainan’ireny klioba ireny. Tato anatin’ity fotoan’ny fihiboana ity, tsy nihodina tsara intsony ny orinasa namelona ireo ekipa ka tsy maharaka ny vola entina mihetsika. Voatery nampihena ny fandaniana ny ekipa, teo amin’ny roa volana voalohan’ny fihibohana. Tsy tapitra hatreo fa tsy maintsy niditra tamin’ny fampitsaharana ny klioba mihitsy ny sasany amin’izy ireo.

Araka ny vaovao hita tao amin’ny tambajotran-tserasera, tamin’ity herinandro ity, nisy ireo nanana ekipa roa no nanafoana ny iray ka anisan’ireo voatonontonona, ny Fosa Jr sy ny CNaPS Sport. Voalaza tamin’izany fa najanona ny ekipa nifaninanana teto Analamanga ho an’izy roa tonta. Nosintonina nanatevina ny Fosa Jr Boeny ireo mpilalao tena nilaina ho an’ny ekipan’i Arno Stinkist. Notsofin-drano kosa ny ambiny. Tsy nanamarina ny fisian’izay faharavana izay kosa ny tompon’andraikitry ny CNaPS.

Ankoatra izay, betsaka ireo mpilalao tsy mandray karama intsony, izay mivelona amin’ny baolina kitra ny ankamaroany.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.