Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nidoboka am-ponja, afakomaly, ireo roa lahy voarohirohy tamina raharaha fanaovana trafikana rongony miisa 25 gony (375kg) tratra tao Fianarantsoa. Ireo rongony marobe ireo kosa, efa nodorana tao Andreamboasary Fianarantsoa, omaly tamin’ny 9 ora maraina natrehin’ireo manampahefana ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Tsiahivina fa ny 20 jona hariva tamin’ny 5 ora sy sasany no nahatraran’ny polisy ireo roa lahy tao Mandazaka kaominina ambanivohitr’Ambinaniroa Ambalavao niaraka tamin’ireto zava-mahadomelina ireto. . Nambaran’izy ireo, nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa saika halefa hiakatra aty an-drenivohitra izy ireto.

 

Ravan’ny polisy ao Sakaraha ny tambajotra mpangalatra moto halatra ao Ambalasavoa, ny alatsinainy teo. Voasambotra tamin’izany ny lehilahy roa. Tratra tamin’ny alalan’ny angom-baovao avy amin’ny olon-tsotra ireo voalaza fa nanao ny asa ratsy. Nidiny vao maraina tao Ambalavasoa, ny 29 jona teo ny polisy ary tratra teo am-pivarotana ilay moto halatra marika XMAY ireo roa lahy ary noentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany.

 

Les commentaires sont fermées.