Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mampanahy tanteraka ny fihanaky ny covid-19: tafakatra 22 ny maty, tranga vaovao 88 et Analamanga

Mampanahy tanteraka ny fihanaky ny covid-19: tafakatra 22 ny maty, tranga vaovao 88 et Analamanga

Tafakatra 22 izany ireo namoy ny ainy noho ny valanaretina covid-19. Niampy roa izany, omaly, araka ny tatitry ny CCO. Efa zary lasa foiben’ny valanaretina covid-19 mihitsy izany izao Analamanga raha ny tranga vaovao tato ho ato.  

Zara raha mielanelana roa andro ny fahafatesana. Raha tsiahivina, mahatratra enina ireo nodimandry tao anatin’ny herinandro latsaka teo izao.

Tsy vitan’izany  fa mamahatra eto Analamanga ny coronavirus. Avy eto Antananarivo ny 88 amin’ireo 89 nifindran’ny valanaretina raha ny antontanisa.

212 ny tranga vaovao tao anatin’ny telo andro

Taha ambony koa io raha efa nisy 93 izany ny 26 jona teo. Nilatsaka 83 izany ny 27 jona. Ho an’ny telo andro farany kosa, miisa 212 ireo nifindran’ny valanaretina ho an’ny eto Analamanga. Tsy nahitana tranga kosa ny any Toamasina, raha efa anisan’ny foiben’ity valanaretina ity teo aloha.

Etsy an-daniny, miisa 32 ireo marary mafy amin’izao fotoana izao ka tsaboina eto Antananarivo ny maro amin’izy ireo.

Tsy afa-bela koa ny any Vohipeno

Niitatra amin’ny faritra hafa koa anefa ny valanaretina ka tafiditra any Vohipeno, nahitana olona iray nifindran’ny valanaretina. Distrika faha-35 tsy afa-bela amin’ny coronavirus izany izao ny any an-toerana.

Ankoatra izany, vitsy ireo sitrana. Miisa 12 izany ka etsy Befelatanana ny sivy amin’izy ireo. Na izany aza, tafakatra 1 006 ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana. Miisa 1 275 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana raha 2 303 ireo tratran’ity valanaretina ity hatramin’ny 19 jona no ho mankaty.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.