Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fotoam-pitsarana: hanomboka ny alatsinainy izao

Hisokatra manomboka ny alatsinainy izao ny fotoam-pitsarana ny raharaha rehetra eny anivon’ny lapan’ny Fitsarana Anosy. « Telo andro mialohan’ny fotoam-pitsarana iray no atao peta-drindrina eo amin’ny tokotanin’ny lapan’ny Fitsarana ny laharana sy ny anaran’ireo olona manana raharaham-pitsarana », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Hita ao avokoa ireo raharaha rehetra mandeha amin’ny fotoam-pitsarana iray. Izay ahitana ny laharan’ny antontan-taratasy sy ny olona voakasik’izany. Tsy maintsy manaraka ireo laharana ireo ny olona rehetra, araka ny lalàna napetraky ny fitondram-panjakana amin’ny fisorohana ny Covid-19. « Tsy maintsy olona miisa 50 ihany no mahazo miditra ao anatin’ny efitrano fitsarana iray », hoy ny fanazavan’ny mpisolovava Herinatrehina Elia, lehiben’ny firaketan-draharaha eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Nohamafisiny fa ireo dosie misy mpisolovava no handeha mialoha.

 

Nivangongo ny antontan-taratasy

Nivangongo ny raharaham-pitsarana, nandritra izay telo volana fihibohana izay, teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Nahatratra 200 ka hatramin’ny 300 ny antontan-taratasy noraisin’ny mpitsara. « Ireo ady maika no tena nandeha teto anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fitsarana ambony », hoy hatrany ny fanazavan’ilay lehiben’ny mpirakidraharaha.

Noferana ho 15 isa kosa ireo antontan-taratasy raisina ho an’ny fitsarana ambaratonga ambony. Ireo raharaham-pitsarana tsy misy voafonja no handeha mba hiarovana ireo voafonja amin’ny tsimokaretina. « Hisy ny fandefasana ireo dosie halefa hotsaraina mahakasika ireo voalaza ireo ka noferana ho 15 isa isaky ny audience ny eo anivon’ny cours d’appel ankoatra ireo izay efa hamoahana didim-pitsarana. », hoy ny mpisolo vava Raolihasindrahona Aimée, lehiben’ny fiaraketan-draharaha eo amin’ny fitsarana ambony.

Mbola mitsahatra ny Fitsarana ady heloka bevava amin’izao ho fiarovana ny Covid-19.

Ho hentitra koa ny lapan’ny Fitsarana amin’ny fivezivezena eny an-toerana. Misy ny fakana ny mari-pana, ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony ary ny fanajana ny iray metatra. Ireo izay misy ny soritr’aretina kosa tsy ho tafiditra ao amin’ny lapan’ny Fitsarana mihitsy.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.