Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tetikasa Avotr’aina: hovidiana 20 Ar ny rano 20 litatra eny amin’ny paompy iraisana

Tetikasa Avotr’aina: hovidiana 20 Ar ny rano 20 litatra eny amin’ny paompy iraisana

Akora fototra iadiana amin’ny fiparitahan’ny Coronavirus ny fampiasana rano sy savony. Hampidinina ny vidin-drano eny amin’ny paompy iraisan’ny daholobe hahazoan’ny vahoaka mikirakira rano tsy tapaka hanavotra ny ainy.    

Nosantarina teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, omaly ny tetikasa Avotr’aina iarahan’ny minisiteran’ny Rano sy ny mpiray ombon’antoka hotanterahina eto Antananarivo, Moramanga ary Toamasina ahafahan’ny olona marefo misitraka rano, akora fototra iadiana amin’ny tsimokaretina Covid-19. Ny Unicef sy ny mpanohana marobe no nanome ny vola 470 000 dolara hampiasaina amin’ny tetikasa Avotr’aina ao anatin’ny telo volana. Manomboka amin’ity volana ity, vidiana 20 Ar ny rano 20 litatra eny amin’ny paompin-drano iraisana hisitrahan’ny vahoaka azy. Ny fanjakana no hameno ny elanelana amin’ny vidin-drano tena izy eny amin’ny JIRAMA. 63 000 dolara isam-bolana ny tetibola atokana ho an’izany, hoy ny minisitry ny Rano, Rakotovelomanantsoa Voahary. 400 000 m toratelo isam-bolana ny refin’ny rano hotsinjaraina amin’ny marefo. Ho an’i Toamasina, hovidiana 50 Ar ny rano 20 litatra. Manodidina ny 600 000 ny olona maka rano eny amin’ny paompin-drano hisitraka ny fampidinana ny vidin-drano ao anatin’ny telo volana manaraka ho an’ny kaominina roa voalaza. Hametrahana fitaovana fanasan-tanana koa ny toerana be olona mivezivezy rehetra toy ny tsena, fantsakana… Ankoatra ireo, hizara savony ho an’ny tokantrano 40 000 tena marefo ny tompon’andraikitra ahafahany manasa tanana matetika hisorohana ny fiparitahan’ny tsimokaretina Covid-19. Zava-dehibe ny hetsika Avotr’aina fanampiana ho fisitrahana rano ho an’ny tanàna telo voakasiky ny tsimokaretina satria betsaka no tsy afaka mampiasa rano noho ny antony maro, hoy ny solontenan’ny Unicef, Michel Saint-Lot. Lafo ny rano ka betsaka no tsy mampiasa azy amin’ny filana rehetra. 1450 ny isan’ny paompin-drano eto Antananarivo ary marobe ny tokantrano miandrandra azy isan’andro, hoy ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.