Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taksibe eto an-drenivohitra: tokony hitaky ny “gel désinfectant” ny mpandeha

Taksibe eto an-drenivohitra: tokony hitaky ny “gel désinfectant” ny mpandeha

Nizara “gel désinfectant” ho an’ny tompon’ny taxi-be sy ny fiarakaretsaka miasa eto Antananarivo ny minisiteran’ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, omaly miaraka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny Unicef sy ny mpiray ombon’antoka maro hafa. Hotsinjaraina amin’ny taxi-be 7000 sy fiarakaretsaka 5500 ary tokony haharitra hatramin’ny fiarafaran’ny hamehana ara-pahasalamana, 11 jolay ho avy izao ny gel azo, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny kaoperativa UCTU, Randrianatoandro Lova, teny Analakely. Maharitra roa andro ny gel 500 ml raha miasa maraina mandra-paharivan’ny andro ny taxi-be iray. « Manomboka anio, tokony hitaky ny gel hanadiovana ny tanana ny mpandeha rehetra miditra ny fiara fa zony izany », araka ny nambarany ihany. Hametrahana fitaovana hahafahana manasa tanana amin’ny rano sy savony koa ny toeram-piantsonan’ny fiara mpitatitra olona eto an-dRenivohitra. Tanjon’ny hetsika iarahan’ny telo tonta ny fanamafisana ny fiarovana ny vahoaka sy hanapahana ny fivezivezen’ny tsimokaretina Covid-19, hoy ny ben’ny Tanàna Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Mbola nahazo arovava azo sasana ny mpamily sy ny mpanampy azy 21 000 miasa amin’ny fiara 12 500 eto an-dRenivohitra. Handrarahana fanafody avokoa ireo fiara ireo ka ny ekipan’ny BMH no hisahana izany ao anatin’ny hamehana. Handeha eny anivon’ny tokantrano ipetrahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 ny tompon’andraikitra hamendraka fanafody ny efitrano sy ny manodidina hamonoana ny tsimokaretina.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.