Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

  Saron’ny polisin’ny Stup Fianarantsoa: rongony 375 kilao saika haondrana eto an-drenivohitra

   Saron’ny polisin’ny Stup Fianarantsoa: rongony 375 kilao saika haondrana eto an-drenivohitra

 

 Tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny Stup Fianarantsoa sy ireo polisy avy ao Ambalavao, tao Mandazaka, kaominina Ambinaniroa Ambalavao, ny 26 jona teo ny rongony milanja 375 kilao. Natao tao anaty  gony miisa 25 ireo rongony ireo, ary nokasaina haondrana eto an-dRenivohitra. « Angom-baovao azo tamin’ny olon-tsotra no nahatrarana ny rongony. », hoy ny fanazavan’ny kaomisera Ralambotahiana Fanomezantsoa, lehiben’ny Stup ao Fianarantsoa. Nidina teny an-toerana ny polisy nanamarina ny tranga ka tratra teo an-tokotany iray ao Mandazaka ireo rongony milanja 375 kilao. « Nanontany ny tompon’ireo rongony ny polisy ka nilaza ny lehilahy iray fa an’olona miisa telo izany », hoy hatrany ny fanazavan’ny polisy. Mbola nohamafisin’ilay lehilahy ny anaran’ireo olona telo voalaza fa tompon’ireo rongony. Voasambotra avy hatrany izy telo lahy nanaovana fanadihadiana ary naiditra am-ponja, omaly, ny roa tamin’izy ireo. Nodorana ny antoandro kosa ireo gonin-drongony marobe.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.