Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ramamimampionona Gérard : “Mila iray fo ny isika amin’ny fitakiana ireo Nosy”

Tena zava-dehibe izao fanohanan’ny Sadc amin’ny famerenana amin’i Madagasikara ireo Nosy ireo izao, raha ho an’ny CFM: fanairana sy antso hoe ny avy any ivelany aza manohana. Tena iray fo sy iray feo tokoa ve isika amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo?” hoy ny filoha lefitry ny CFM, Ramamimampionona Gérard. Tsy maintsy ifanampiana amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy ireo izany. Satria mbola misy manao hoe: inona no mahamaika amin’ireo Nosy malagasy, ohatra? Nefa efa nipetraka any amin’ny ONU, ny 12 desambra 1979, fa an’i Madagasikara ireo Nosy ireo.Ilaina ny fanohanan’ireo firenena maro, raisina raha mbola misy hafa manohana.

Tokony hahatsapa tena aloha isika Malagasy fa tompon’ireo Nosy  ireo”, hoy izy. Ngezabe izany, ary tokony ho fantatry ny Malagasy bebe kokoa ny amin’ireo Nosy ireo. Efa misy, ohatra, ny miteny hoe tokony hatao ao anatin’ny sarintanin’i Madagasikara ireo. Tokony hitoetra ny fiombonam-pon’ny Malagasy, rehefa misy soa iombonana hotakina.

R.Nd.

 

 

Les commentaires sont fermées.