Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raha samy ho hentitra ihany: tokony harahi-maso ny dokam-barotra

Raha samy ho hentitra ihany: tokony harahi-maso ny dokam-barotra

Mbola ao anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana i Madagasikara. Hentitra amin’ny fampiharana ny lalana ny mpitandro filaminana. Vao omaly no nivalona ny « Volan’ny teny malagasy ». Mba masiaka sy hentitra amin’ny teniny ve ny Malagasy kanefa efa ela no tafahitsoka ao anatin’ny kizo io tenin-drazany io ? Anisan’ny mandray anjara goavana amin’ny famotehana ny teny malagasy ny dokam-barotra hitan’ny maso sy ny ren’ny sofina. Mirarakompana ny fahadisoana eo amin’ny fitsipi-panoratana. Tahaka izany ihany koa ny fisian’ireo tenin-drazana natambatambatra mba hanome voambolana na teny sadasada.

Raha tena mikendry marina ny famerenana indray ny hasin’ny teny malagasy ny Malagasy, mila hentitra amin’ny fikajiana sy amin’ny famelomana azy. Tokony harahi-maso ireny dokam-barotra ireny. Izay ahitana fahadisoana, asaina haverin’ny tompony. Ny ankamaroan’ireny dokam-barotra ireny mantsy, mivandravandra sy miranty amina takelaka goavambe, tazan’ny olon-drehetra. Manjary lasa mpampianatra diso ho an’izay mahita azy. Anisan’ny asa tena sarotra anefa ny manitsy ny hadisoana efa zary raiki-tampisaka eny anivon’ny fiarahamonina.

Tolo-kevitra iray ho an’ny orinasa te hanao dokam-barotra ihany koa ny fiarahan’izy ireo miasa amina olona mahafehy tsara ny teny malagasy. Mandrafitra sy mamoaka izay tian’ny dokam-barotra hampitaina izy ireny sady afaka mitandrina sy manaja fatratra ny hasin’ny teny malagasy. Tsy ny orinasa mila dokam-barotra ihany fa ireo rehetra mila maneho an-tsoratra ny hevitra ampitainy (toeram-pivarotana, fitsangatsanganana, tsena, sns) tokony hiara-kiasa amin’ireo mahafehy tsara ny teny malagasy ihany koa.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.