Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Projet Jeunes et Sport” : hihemotra amin’ny 3 jolay ny fanaterana ny tetikasa

« Projet Jeunes et Sport” : hihemotra amin’ny 3 jolay ny fanaterana ny tetikasa

Noho ny fangatahan’ny maro sy ireo tanora marobe mbola maniry ny hifaninana amin’ilay tetikasa ho an’ny tanora sy ny fanatanjahantena, nanapa-kevitra ny hanemotra ny fara fanaterana ny tetikasa, ho amin’ny 3 jolay izao ny mpikarakara, dia ny “Maison du Sport” sy ny Masoivoho Frantsay. Raha toa ka omaly 30 jiona ny fe-potoana nomena hatrany am-boalohany, mbola manana roa andro indray, araka izany, ireo mpandray anjara hamitana amin’ny an-tsakany sy an-davany ny tetikasany tsirairay avy. Tetikasa natao indrindra ho fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena, natokana ho an’ny tanora 15 hatramin’ny 25 taona. Mety foana izay tetikasa volavolaina, saingy takina kosa hahamatihanina azy, izany hoe tetikasa tsy mbola nisy nanao, mikasika sy mipaka tsara amin’ny tanora ka hahafahana mampandroso ary indrindra azo tanterahina tsara. Ho hentitra amin’ireo fepetra ireo ny mpitsara ny tetikasa, hahitana ny solontena avy amin’ny “Maison du Sport” sy ny Masoivoho frantsay. Tsiahivina, ny 12 aogositra izao, raha tsy misy fiovana no ho fantatra izay mandresy amin’ny fifaninanana. Loka hatramin’ny 17 000 euros kosa no hotsinjaraina amin’izay manana tetikasa tsara indrindra.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.