Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Professeurs Cértifiés »: manjavozavo ny hoavin’ny fampianarana

Nanambatra ny feony ireo vondron’ny mpampianatra nivoaka tamin’ny sekoly ambony mampiofanana ho mpampianatra (professeurs cértifiés )sy mpanabe ary nilaza fa manjavozavo ho azy ireo na ny mpampianatra namany sy ny mpianatra ary ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny hoavin’ny fampianarana eto Madagasikara.

Tsy nisy resaka momba ny fampianarana mihitsy tao anatin’ny lahateny maromaro nataon’ireo lohandoham-pisorona eto amin’ny firenena ka manahy ihany izy ireo fa ankilabao ny fanabeazana.

Mitaintaina ny ray aman-dreny amin’ny hoavin’ny zanany. Tsy mitombin-tsaina ihany koa ireo mpianatra satria mahatsiaro tena ho very ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Tokony ho avoaka haingana ny datin’ireo fanadinam-panjakana hahafahan’ny sain’ny mpianatra mivonona sy mifantoka amin’izay. Tokony hampahafantarina dieny izao koa ireo fepetra sy rafitra apetraka mifandraika amin’izany fiatrehana ny fanadinana izany mba tsy hanampoka na mety hampikorontana ny sain’ny mpianatra.

Nangataka ihany koa ireo mpampianatra nivoaka tamin’ny sekoly manokana ireto fa tokony heverina sy hatao mazava koa ny momba ireo kilasy tsotra satria vaka ny sain’izy ireo ankehitriny, tsy mahafantatra ny toerana misy azy. Marihina fa efa tokony hifarana omaly ny taom-pianarana 2019-2020 raha ny tetiandro ara-dalàna.

Ankoatra izany, nametraka tsindrim-peo mahakasika ny tokony hamoahana haingana ny “vacation”  ihany koa ity vondron’ny mpampianatra ity mba hahafahana mampandeha tsara ny fanadinam-panjakana izay tsy maintsy hatrehina atsy ho atsy.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.