Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ozinina fanamboarana fanafody: hamokatra « gélule » CVO + 15 000 isa-minitra ny Pharmalagasy

Ozinina fanamboarana fanafody: hamokatra « gélule » CVO + 15 000 isa-minitra ny Pharmalagasy

Nijery ifotony teny amin’ny Pharmalagasy, eny Tanjombato ny filoha Rajoelina Andry mivady, omaly. Anisan’ny nojerena tamin’izany ny fandrosoan’ny asa fananganana ity ozinina famokarana fanafody  ity. Fantatra tamin’izany fa hamokatra « gelule » CVO Plus izy ity amin’izao fiandohany izao ka mahavita vokatra 15 000 vokatra isa-minitra ireo fitaovana telo lehibe manao ny famokarana izany. Mampiasa fitaovana raitra sy teknolojia avo lenta ny asa famokarana ary efa mandeha ny fametrahana ny fitaovana amin’izao fotoana izao.

Samihafa ny tambavy CVO sy ny CVO +

Efa miroso koa ny andrana  « essaie clinique », amin’ny gélule CVO + mialoha ny hampiasana izany amin’ny olombelona rehefa avy anaovana andrana amin’ny biby. Hivoaka afaka iray volana izany fanafody miaro tena sy manasitrana ny covid-19. « Tsy mitovy amin’ny tambavy CVO ny CVO +. « Gelule » izy ity ary nohalalinina koa sy mandalo andrana », hoy ihany ny filoha.

Salama tsy mararin’ny coronavirus ny filoha

Etsy an-daniny, namaly ny tsaho fanenjehana azy ho marary sy lasa nandeha nitsabo tena an-tsokosoko tany ivelany ihany koa ny filoha. “Salama tsara ny tenako ary  tsy voan’ny coronavirus izany koa. Fifanampiana eo amin’ny andraikitra sahanina no antony nanomezana ny praiminisitra hilaza ireo fepetra ara-pahasalamana tamin’ny alahady teo“,  hoy izy.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.