Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahavoky: lehilahy hita faty tao anaty kamiao

Hatairana ny an’ny rehetra, omaly vao maraina raha nahitana fatin-dehilahy iray tao anaty kamiao mpitondra simenitra teny Mahavoky. Araka ny fitantaran’ireo olona mahafantatra ity niharam-boina ity, mpiasa ao amina toeram-pivarotana kojakoja fampiasana amin’ny trano ity lehilahy ity ary efa mahazatra azy ny matory ao anatin’ilay kamiao isaky ny alina. nampangaina ho nangalatra bateria anefa izy, ny faran’ny herinandro teo, araka ny fanazavan’ireo mpiara-miasa aminy ka nisy fiantraikany teo amin’ny fahasalamany izany. Mialoha izao nahafaty azy izao, nihetsika aretina hafahafa izy. Mbola natory soa aman-tsara tao anatin’ilay kamiao anefa izy ny alina kanjo nony maraina (omaly io) efa vatana tsy misy aina intsony no hitan’ireo mpiara-miasa aminy. Nohamafisin’ireo mpiara-miasa aminy hatrany anefa fa olona tsy manana eritreritra ny hangalatra bateria raha ity mpiara-miasa amin’izy ireo namoy ny ainy ity. Andrasana, araka izany, ny fanadihadiana rehetra momba ny antony nahafaty ity lehilahy ity ka aorian’izay no hamantarana ny marina rehetra.

J.C

Les commentaires sont fermées.