Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lomano – Harivola Marie Sarah: fianakaviany dokotera no mitsabo azy

Araka ny efa notaterina teto, isan’ireo voatily ho mitondra ny tsimokaretina Covid-19 ny tale teknika nasionaly ny taranja lomano teo aloha, ramatoa Harivola Marie Sarah. Tsy nandeha namonjy toeram-pitsaboana moa izy fa ao an-trano ihany no manaraka fizahana sy fikarakarana, izay nomarihiny fa manana rahavavy dokotera izy ka io no miandraikitra sy manara-maso izany. Mahakasika ny vadiny indray, efa karazan’ny voa ihany koa izy, hoy hatrany ity Tale teknika teo aloha ity satria dia tena mitovy tanteraka tamin’ny zavatra niainako avokoa no tranga miseho aminy. Na eo aza izany, mivavaka mafy hatrany izahay ary manankina amin’Andriamanitra ny ady izay  hatrehina amin’izao fotoana izao. Mitondra fisaorana sy fankasitrahana ireo olon-drehetra mitondra fankaherezana azy ihany koa moa ny tenany, izay tena manome hery sy tanjaka azy, inoana fa hanamora sy hanampy azy ireo amin’ny fitsaboana.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.