Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jirama: simba ny milina any Toamasina, ho tapaka ny rano eto Antananarivo

Jirama: simba ny milina any Toamasina, ho tapaka ny rano eto Antananarivo

Araka ny tatitry ny Jirama, simba ny milina mpamokatra herinaratra, tantanin’ny orinasa Enelec any Betainomby Toamasina, nahatonga ny jiro ho tapaka manerana ny tanànan’i Toamasina, omaly, 30 jona, teo anelanelan’ny tamin’ny 6 ora hariva hatramin’ny 9 ora alina. Eo am-panarenana ny simba ny ekipan’ny Jirama any an-toerana sy ny Enelec.

Eto Antananarivo, hisy ny asa fikojakojana ny fitaovana mamokatra rano eny Mandroseza, rahampitso 2 jolay ka ho tapaka ny famatsian-drano amin’ny faritra maro eto an-dRenivohitra, manomboka amin’ny 7 ora maraina hatramin’ny 1 ora tolakandro. Voakasik’izany ny manodidina an’i Faravohitra, Manjakaray, Amboditsiry, Mahamasina, Ankatso, Ankaraobato, Ampandrianomby, sns.

Njaka A.

 

Ireo toerana ho tapaka rano eto Antananarivo:

-Faritra Afovoany: Mandrosoa Ambohijatovo – Faravohitra -Ambatonakanga – Manjakaray- Amboditsiry – Tsiadana – Andohamandry – Fort Voyron – Mahamasina – Befelatanana – Campus Ambolokandrina –Ankatso

-Faritra Atsimo: Mahabo – Ambohijanaka – Imerimanjaka – Ankaraobato – Ankadilalampotsy -Tongarivo – Ankadiefajoro – Morarano – Mahalavolona

Faritra Atsinanana : Fort-Duchesne – Ampandrianomby – Ampanotokana – Andraisoro – Antsahameva

 

Les commentaires sont fermées.