Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Isorohana ny fahataran’ny fitomboan’ny zaza: nanome vola 6 tapitrisa dolara ny KOICA

Nanolotra vola mitentina 6 tapitrisa dolara hampiasain’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) ny fanjakana koreanina tatsimo tamin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (Koica). Entina hanohanana ara-tsakafo olona 51 000 ao amin’ny kaominina Itampolo sy Fotadrevo ao amin’ny distrikan’Ampanihy ny vola azo. Hanatontosana ny tetikasa Miaro amin’ireo kaominina roa ireo ny tohana mandritra ny efa-taona (2020-2024). Tanjona ny hisoroka ny fahataran’ny fitomboana eo amin’ny zaza sy ny tsy fanjarian-tsakafo miseho amin’ny vehivavy mitondra vohoka sy mampinono ary ny zaza enim-bolana hatramin’ny 2 taona. Hampiana tosika manokana ireo sokajy ireo satria ny 1000 andro voalohan’ny zaza no fotoana ivoaran’ny sainy sy ny vatany. Vao mitsaika ka mandra-pahatogan’ny faha-2 taonany no mila tohana sy fanaraha-maso ny sakafon’ny reny bevohoka sy ny zaza. Tonga amin’ny fotoana tena ilana azy ny vola avy amin’ny Koica satria mampanahy ny zava-misy any Atsimo vokatry ny tsy fahampian’ny rotsak’orana nanomboka ny fiafaran’ny taona 2019 lasa teo. Anisan’ny distrika tena voa mafy ny tao Ampanihy, hoy ny solontenan’ny Pam eto amintsika, i Moumini Ouedraogo, omaly teny Anosy. Hisahana asa maro ny tetikasa Miaro toy ny fizarana fanampin-tsakafo mitondra hery, ny sakafo any an-dakilasy sy ny fambolena ireo vokatra ilaina any an-tsekoly…Hisehatra mivantana eny ifotony hanao ny asa ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN) sy ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Fanabeazana ary ny ONG eny ifotony miaraka amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana maromaro. Natao teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny fanavan-tsonia ny fanomezana tohana avy amin’ny Koica ho an’ny Pam.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.