Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

  Halatra moto tao Toamasina: olona efatra voasambotra

   Halatra moto tao Toamasina: olona efatra voasambotra

 

 Tra-tehaky ny polisy ao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina ny lehilahy miisa efatra, ny alatsinainy teo. Izy ireo izay voarohirohy tamin’ny halatra moto very, ny 24 jona lasa teo. Nametraka fitoriana teo anivon’ny SUT na sureté urbaine de Toamasina ny lehilahy iray. « Nilaza ilay mpitory fa hitany ao amin’ny tokotanin’olona monina ao Tanambao Verrerie ilay moto very », hoy ny fanazavan’ny polisy. Vokany, nidina teny an-toerana izy ireo ka hita tokoa ilay moto mifandraika tamin’ny fitarainan’ilay mpitory. Niditra tao amin’ilay trano koa ny polisy, taorian’izay. Tsikaritra tamin’izany fa nisy moto “scooter” maro efa noravana tao. Hita koa fa maro ireo fitaovana niparitaka eran’ny trano. Arak’izany, voasambotra ireo lehilahy tompon-trano miisa efatra ka nanaovana fanadihadiana. Nogiazana koa ireo moto enina hita tao an-trano.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.