Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Federasion’ny kitra (FMF): hanaovana fitiliana ny covid-19 ny vola nomen’ny Fifa

Nambaran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa natokana hanaovana fitiliana ny tsimokaretina “covid 19” ny vola fanampiana nomen’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), ho an’ny baolina kitra Malagasy. Ankoatra izay, hitadiavana toerana hanaovana fizaham-pahasalamana ho an’ireo mpilalao hiomanana amin’ny fiatrehana ny fiverenan’ny fifaninanana.

Marihina fa nanolotra lelavola mitentina, 1, 32 lavitrisa Euros, ho an’ireo federasiona miisa 211 mpikambana ao aminy ny Fifa, hoentina miady amin’ity valanaretina Coronavirus, mamely ny vahoaka maneran-tany ity. Anisan’ireo nisitraka izany ny teto Madagasikara. Raha tsiahivina, samy nahazo 1 tapitrisa dôlara eo avokoa ireo federasiona rehetra ireo, niampy 500.000 dôlara hanampiana ihany koa ny baolina kitra vehivavy. Nambaran’Andrianony Aurelien, filoha lefitra voalohan’ny Federasiona malagasy fa efa nanampiana ireo mpiantsehatra tao anatin’izao fihiboana izao, ny ampahany betsaka tamin’izany fanampiana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena, izany.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.