Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antenimierampirenena: voafidin’ireo depiote ho mpikamban’ny Ceni i Benaivo Andrianaly

Antenimierampirenena: voafidin’ireo depiote ho mpikamban’ny Ceni i Benaivo Andrianaly

Nofidin’ireo depiote miisa 60 hisolo tena ny Antenimierampirenena ho mpikambana eo anivon’ny Ceni i Benaivo Andrianaly Narcisse. Ho filoha lefitry ny rafitra misahana ny fikarakarana ny fifidianana eny Alarobia ny tenany, manomboka izao.

Nitana andraikitra maro. Efa « prefet » an’i Toamasina sy lehiben’ny faritra Sava ny tenany, ny taona 2008. Efa talen’ny fitantanan-draharaham-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, niara-niasa tamin’ny minisitra tamin’izany, ny Jly Rabemananjara Charles, ny taona 2006.

Nisahana ny andraikitry ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany koa ny taona  2014. Efa talen’ny fitsinjaram-pahefana koa talohan’ny taona 2018. Anisan’ireo administratera sivily sady teknisianina i Benaivo Andrianaly Narcisse ary efa mpandrindra ankapobeny ny fitantanana ny fitsinjaram-pahefana koa.

Hiasa mandritra ny herintaona

Nironan’ny safidin’ireo depiote ny tenany tamin’izao fifidianana ny hisolo tena ny Antenimierampirenena ho filoha lefitry ny Ceni izao. Miisa 24 ireo kandidà nifaninana tamin’izany ka nahazoan’ity kandidà laharana fahadimy ity ny vato be indrindra, miisa 60 izany raha nahazo ny faharoa kosa ny kandidà laharana faha-12, Rajaonarison Hyanchinte.

Ho filoha lefitry ny Ceni avy hatrany

Tsiahivina fa hisolo ny toeran’ny filoha lefitra teo aloha, Rakotonarivo Thierry, nametra-pialana ny tenany, manomboka izao. Hiasa mandritra ny herintaona eo ho eo, fe-potoana hifaran’ny asan’ireo mpikambana eo anivon’ny Ceni, amin’izao fotoana izao ary tsy azo avaozina izany.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.