Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andriamaromaka Jean Marie, mpandrafitra: « …Afaka 20 taona raha ela indrindra ho lany ny hazo »

Andriamaromaka Jean Marie, mpandrafitra: « …Afaka 20 taona raha ela indrindra ho lany ny hazo »

Andriamaromaka Jean Marie, taranaka mpandrafitra hazo hatramin’ny niteraka ny raibeny. Mivelona amin’ity asa ity ny lehilahy efa ho 20 taona izao. Resadresaka nifanaovan’ny gazety Taratra taminy. 

Gazety Taratra : Andriamatoa Andriamaromaka, mandeha ve izao ny asanareo amin’ny fandrafetan-kazo ?

* Andriamaromaka J.M : Nanomboka tamin’ny taona 2001 nandrafitra niaraka tamin’ny raibeko sy ny raiko aho, toerana maro no efa niasanay, ankoatra ny teto Antananarivo, efa niasa tany  amin’ny faritra Menabe koa izahay. Ny azoko havaly, mba tsy hilazana hoe tsy misy antenaina intsony,  sarotra ny mivelona aminy afaka 20 taona raha ela indrindra ho lany ny hazo.

 – Karazan-kazo rehetra ve no mihalany sa karazan-kazo tena fampiasanareo ?

* Ny karazan-kazo rehetra mihitsy, indrindra ireo hazo sarobidy fanao fanaka. Ny hazo sarobidy eto tsy ny bois de rose ihany fa ao ny hazoala, ny hazomanara, ny voambona, sy ny maro hafa. Tany amin’ny taona 80 sy 90, mbola nanafatra ireo karazan-kazo ireo avy any anindrana izahay. Nanomboka ny taona 2010, nitsahatra tanteraka ny fanafaranay izany, satria tsy nisy intsony ny nafarana ary ny lalàna nametra izany. Kesika sy kininina izao sisa ny hiasana fa efa manomboka mihavitsy koa ireo.

Avy hatrany ve dia manao fanaka ianao : seza, fandriana … sa miandry tinady amin’ny alalan’ny komandy ataon’ny mpanjifa ?

* Miandry komandy izahay, misy avy any amin’ny mpanjfa mivantana, misy avy amin’ireo mpivarotra mpanelanelana. Ny olana anefa, tsy fahampiana na tsy fisian’ny hazo tadiavina. Na mahita aza, tsy toy ny taloha intsony ny kalitaon’ny hazo nefa lafo. Noho izany antony izany mahatonga ny ankamaroan’ny mpanjifa mivadika any amin’ny fanaka vita amin’ny akora hafa : aluminium, plastika, na hoditra sy lamba.

– Ankoatra ny akora fototra amin’ny hazo fampiasa, ny hafa manahirana ka zary sakana ?

               « Ny fahalafosan’ny vidin’ny herinaratra »

* Izahay hatramin’izao, mampiasa milina fandrafetana. Ny olana lehibe indrindra, ny fahalafosan’ny vidin’ny herinaratra, efa ho 50 % amin’ny masonkarena. Milina nolovanay tamin’ny dadabenay no mbola miasa, milina mafy sy azo antoka nefa sarotra ahitana kojakoja fanolo ka voatery izahay manambatambatra, araka izay vita eo. Mitombo ihany koa ny hetra takina nefa ny asa mihena.

– Ianareo mpandrafitra ve tsy mivondrona mamboly hazo, indrindra ireo hazo sarobidy lazainao ireo ?

* Samy manana ny heviny ny tsirairay, ao ny manao, misy tsy manao mihitsy. Izaho manokana aloha mandray anjara amin’ny fambolen-kazo eto amin’ny faritra Analamanga fa ny tsapako, fihetsiketsehina no betsaka fa zava-dehibe ny tokony ho fanaraha-maso azy ireny, tsy hitako. Ny asako mpandrafitra fa tokony hisy teknisianina hahay hifehy izany.

– Mbola matoky ny ho avin’ny seha-pihariana fandrafetan-kazo ve ianao ?

* Mahakivy ny mieritreritra azy, hatramin’ny ela nahafantarako ny fisian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana fa toa vao mainka mihapotika ny ala eto an-tanindrazana na aiza na aiza. Mahantra ny olona matoa mihasimba ny ala, hatramin’ny hazo sarobidy misy manao saribao. Koa raha ny hevitro, ny zanako izao efa haviliko amin’ny zavatra hafa ny sainy fa ity tsy hita antenaina intsony. Eo koa moa ny akora maro hafa mahasolo ny hazo.

 

Nangonin’i R. Mathieu

Les commentaires sont fermées.