Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatondrazaka: nidoboka am-ponja ireo mpanao odibala sy mpampandro dahalo

Ambatondrazaka: nidoboka am-ponja ireo mpanao odibala sy mpampandro dahalo

Tratran’ny zandary ary naiditra am-ponja ao Ambtatondrazaka ireo mpanome odibala ny dahalo.

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka, afakomaly, ireo mpampandro dahalo sady mpanao odibala. Raha ny fanazavan’ny zandary any amin’ny distrikan’Andilamena ao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohitrarivo, fokontany Akafo, kaominina ambanivohitr’Antanimenabaka no tena mampalaza ireto mpanao odibala ireto. Hatreto, mbola enjehin’ny lalàna manan-kery hatrany ny fanaovana ireny karazan-javatra miendrika fisolokiana sy hosoka entina hamitahana ny mpiara-belona ireny ka tsy maintsy miditra an-tsehatra hatrany ny zandary manenjika ireny olona milaza azy ho mahay mitaiza amin’ireny hery miafina hafahafa ireny.

Tsiahivina fa raha ny antontanisa teo am-pelatanan’ny zandary momba ireo mpanao odibala sy mpampandro dahalo efa tratra hatramin’izay dia miisa 25 ireo tratra ka ny 15 amin’ireo maty voatifitry ny zandary. Miisa 25 ireo mpampandro dahalo efa tratra manerana an’i Madagasikara ka anisan’izany i Dony mpimasy gagilahy malaza fa mpanao odibala ary tsy laitram-bala izy. Tratran’ny zandary tao amin’ny fokontany Ankaiafo Atsimo izy, ny 22 jona lasa teo ary nahatrarana basy sy bala niaraka tamin’ny moara tany amin’izy ireo.

J.C

Les commentaires sont fermées.