Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

501 898 ireo maty maneran-tany: 10 tapitrisa izao ireo voan’ny covid-19

501 898 ireo maty maneran-tany: 10 tapitrisa izao ireo voan’ny covid-19

Araka ny tarehimarika navoakan’ireo tambajotran-tserasera maro, omaly, efa maherin’ny 10 tapitrisa, 10 145 947 raha ny marina, ireo olona mitondra ny valanaretina covid-19 maneran-tany. 501 898 no efa lavo vokatr’izany.

Fantatra fa i Etazonia no lohalaharana amin’ny fahamaroan’ireo olona mararin’ity valanaretina malaza ity. 2 500 000 mahery, raha ny tarehimarika nivoaka omaly. Efa mahatratra 127 000 kosa ny maty. Manaraka an’i Etazonia, ny any Brezila, izay ahitana marary1 345 000, ary maty 57 000.

Somary efa nidina kosa ny isan’ireo marary any Eoropa, saingy mampanahy be ihany ny mbola ho firongatr’izany,  araka ny tatitra. Heverin’ireo manampahaizana mpandinika ny lafiny fahasalamana mantsy fa mbola hahery vaika kokoa noho ilay andiany voalohany ny andiany faharoa amin’ity valanaretina covid-19 ity raha tsy voafehy.

Nangonin’i M.R.

Les commentaires sont fermées.