Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lomano: voan’ny Covid-19 i Harivola Marie Sarah, ahina koa ny vadiny

Lomano: voan’ny Covid-19 i Harivola Marie Sarah, ahina koa ny vadiny

Mpanao fanatanjahantena malagasy, fantatra eo amin’ny tontolon’ny lomano i Harivola Marie Sarah, izay mitondra ny tsimokaretina coronavirus. Raha ny fanazavany, ahina ho efa voa ihany koa ny vadiny. Resaka nifanaovana taminy.

Gazety Taratra (*) : Nanao ahoana ny fihetseham-po naheno fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus ianao ?

Harivola Marie Sarah (-) : Efa nanoman-tsaina ihany satria tsapako hoe aty amin’ny vatako ireo soritraretina covid-19 na dia mbola tsy nivaly aza ny fitiliana. Fa rehefa tena nivaly hoe « positif » dia tsy maintsy taitra sy natahotra ihany.

*Manao ahoana ny vady aman-janakao, tsy nisy voa ve ?

– Ny vadiko efa voa, tsy mbola nivaly ny fitiliana natao taminy, saingy efa miseho amin’ny vatany avokoa ireo soritraretina rehetra izay nisy tamiko. Ny zanako lahy, hatreto mbola matanjaka tsara.

*Ahoana ny fiainanareo telo mianaka ao an-trano taorian’ny valin’ny fitiliana ?

Tsy maintsy mifanohana aloha. Dia miray hina tsara ho afaka miara-manao angaredona ilay COVID 19. Miala sasatra tanteraka izahay mivady. Ilay zanaka lahy no mahandro sakafo. Misy ireo tsara sitrapo manatitra sakafo eo an-tohatry ny trano, izay isaorana eram-po eran-tsaina. Ankoatra izay, hampitomboana ny vavaka. Efa mpanao « cellule de prière » izahay isan-kariva hatramin’izay fa hamafisina izany, ankehitriny.

*Teny fanentanana, indrindra ho an’ny fanatanjahantena ?

– Mila mitandrina foana fa tsy afaka mitoky tena hoe matanjaka ka tsy ho voa. Tsy hita maso toy ny mpifanandrina amin’ny fanatanjahanena ilay COVID 19 , nefa tena mikasa sy mitady paikady matanjaka handavoana anao. Mila atao koa ny spaoro mba hampitombo ny hery fiarovana. Raha toa ka tsy nikotrana aho nandritra ny fihibohana, mety ho hafa no ho izao ny fihombon’ny aretiko.

Mi.Raz          

Les commentaires sont fermées.