Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Hidina indray ny mari-pana, manomboka amin’ny alarobia izao raha nisitraka hafanana sy masoandro nibaliaka isika hatramin’ny fetin’ny Asaramanitra. Io no vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Mila miomana amin’izany indrindra ny eto afovoan-tany.

Tsy ahina kosa ny fisian’ny tranga mihoa-pampana mety hiseho, amin’ity herinandro ity fa ny tsiokan’ny alizay no hiverina hitoetra, any amin’ny alarobia ka hampidina ny mari-pana.

Hahazo vahana ny orana any afovoany atsinanana, manomboka ny alarobia alina. Hangatsiaka ny eto afovoan-tany ary hanodidina ny 6°C hatramin’ny 22°C ny mari-pana.

Robson Finoana Henikaja, 14 taona, anisan’ny tafakatra tamin’ny dingana famaranana tamin’ilay fifaninanana mahandro sakafo « Inona no laoka anio ? ». Laoka nofidina ny « roulé bio aux légumes ». Mihaino ny toromarik’i sefo Henintsoa R Moretti izy nandritra ny fikarakarana izany sakafo izany. Anisan’ny nisafidianana azy ny fahaizany nisafidy ny sakafo ara-pahasalamana madio, mifandanja ary miovaova sy maro loko, indrindra ny vokatra natoraly tsy misy fangaro simika. Marihina fa telo izy ireo no tafakatra tamin’ny dingana famaranana tamin’ity fifaninanana ity.

Les commentaires sont fermées.