Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Firongatry ny valanaretina: roa indray ny maty, 48 marary mafy ary 60 ireo tranga vaovao

Firongatry ny valanaretina: roa indray ny maty, 48 marary mafy ary 60 ireo tranga vaovao

Mirongatra tanteraka ny valanaretina covid-19. Niampy roa indray ireo namoy ny ainy. Tsy vitan’izany fa miisa 48 ireo ahina mafy ny toe-pahasalamany, ankoatra ny tranga vaovao, miisa 60.

Araka izany, tafakatra 20 izany izao ireo namoy ny ainy noho ity valanaretina ity eto amintsika.

Miisa 10 ireo maty tao anatin’ny 15 andro

Nambaran’ny CCO, omaly fa nisy olona roa maty indray, ankoatra ireo roa hafa namoy ny ainy ny faran’ny herinandro teo. Izany hoe miisa 10 izany izao ireo lavon’ny covid-19 tao anatin’ny 15 andro farany.

Etsy an-daniny, tafakatra 48 be izao ireo marary mafy na ilay antsoina hoe « forme grave ». Niampy 24 izany, omaly araka ny nambaran’ny eo anivon’ny CCO ihany.  Mampanahy be ihany ireo antontanisa ireo.

Miisa 49 ireo nifindran’ny coronavirus eto Antananarivo

Ankoatra izany, mihamaro hatrany ny isan’ireo tranga vaovao. Miisa 60 izany ka anisan’ny tsy afa-bela amin’ny firongatr’izany ny eto Analamanga, miisa 49 ireo nifindran’ny coronavirus. Miisa 11 kosa ny avy any Moramanga.

Na izany aza anefa, miisa 22 ireo sitrana ka avy eto Antananarivo ny 13 raha any Toamasina kosa ny sivy.

Araka izany, tafakatra 2 138 ireo tratran’ny covid-19 eto amintsika hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Mbola tsaboina sy arahi-maso ireo 1 152 raha 966 kosa ireo efa sitrana sy nalefa nody.  Miisa 21 444 ireo fitiliana vita hatramin’izao.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.