Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihariana lavanila: ahina ho ratsy ny vokatra 2020

Fihariana lavanila: ahina ho ratsy ny vokatra 2020

Nanao fivoriambe ny mpisehatra amin’ny lavanila eto Toamasina, ny faran’ny herinandro teo.

Nambaran’ny mpikambana aty amin’ny faritra Atsinanana fa ratsy ny vokatra ny taom-piotazana 2019 lasa teo. Mbola mampanahy ihany koa kanefa ny fotoam-piotazana 2020, izay hisokatra amin’ny 15 jolay ho avy izao ho an’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo noho ny antony roa samihafa. Voalohany, vokatry ny zava-misy hiatrehan’ny firenena amin’ny Covid-19 sy ny fepetra miaraka aminy. Toy ny fitaterana sy ny fifamoivoizana ary ny fomba hiatrehan’ny mpandraharaha izany fiotazana vokatra lavanila izany. Faharoa, tahaka ny mahazatra eo amin’ny kalitao, noho ny firongatry ny asan-jiolahy mangalatra lavanila maitso anaty ala ka lasa mahatonga ny tantsaha hitango mialoha ny vokany ary hiafara amin’ny mety ho fidinan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ho an’ny faritra Analanjirofo manokana, mirongatra ny halatra lavanila ary misy sahy mivarotra 50.000 ariary ny kilao.

Voafidy fanindiminy

Ankoatra izany, natao koa ny fifidianana hitarika ireo mpisehatra lavanila aty Atsinanana. Voafidy hitarika ny vondron’ny mpandraharaha momba ny vokatra lavanila fanindiminy anatin’ny faritra Atsinanana i Menarivo Félix. Mpandraharaha mpanondrana lavanila na dia tsy anisan’ny nahazo fankatoavana (agrément) fanondranana aza izy ny taom-piotazana farany teo (2019), saingy natolotry ny vovonana Atsinanana hitondra ny fikambanana. Mitarika ny mpanangom-bokatra kosa i Radebason ary Rtoa Bako Danielle ho an’ny mpanelanelana (commissionaire) .

Sajo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.