
Mbola niampy ary tafakatra 24 ireo kandidà hofidina ho solontenan’ny Antenimieram-pirenena ho filoha lefitry ny Ceni. Miisa 11 izany teo aloha ary izao mbola nohalavaina izao ny fe-potoana nafahana nametraka ny filatsahan-kofidina ka niampy 13 izany.
Misongadina amin’izy ireo ny fahitana kandidà, efa nisahana ny fikarakarana ny fifidianana teo aloha. Maro ny adimnistratera sivily amin’izy ireo, ankoatra ny fahitana manamboninahitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy. Eo koa ireo mpitsara manana grady ambony. Misy koa anefa ireo manao asa mahaleo tena na koa mpitantana tetikasa sy talen’ny fikambanana tsy miankina (ONG).
Hotanterahina anio eny amin’ny CCI Ivato ny fifidianan’ireo depiote ny iray amin’izy ireo ho filoha lefitry ny Ceni, hisolo toerana an-dRakotonarivo Thierry. Tsy hisy intsony ny fanadihadian’ny vaomiera eo anivon’ny Antenimieram-pirenena azy ireo.
Fananganana vaomiera hanenjika ireo olona ambony
Miroso avy hatrany amin’ny fampielezan-kevitra ao anatin’ny minitra vitsy ireo kandidà tsirairay, eo anatrehan’ ireo depote ary hatao ny fifidianana avy eo, raha tsy misy ny fiovana.
Ankoatra izany, hiroso amin’ny fifidianana ireo handrafitra ilay Vaomiera hisahana ny fanenjehana ireo olona ambony, hiara-kiasa amin’ny Fitsarana avo (HCJ) ireo depiote ny tolakandro…
Tsiahivina fa hifarana ny zoma izao ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa ho an’ny Parlemanta.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.