Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifaninanana antsan-tononkalo: maro ny loka efa azon’i Michah Rakotoson

Fifaninanana antsan-tononkalo: maro ny loka efa azon’i Michah Rakotoson

Rakotoson Vololona Marie Michele na fantatry ny maro eo amin’ny sehatry ny zavakanto vita amin’ny teny hoe Michah Rakotoson. Ny tononkalo no tena iangaliany fa misy ihany ny sombin-tantara nosoratany ary mbola tsy nisy navoaka, hatreto. Ankoatra izany, mikabary ihany koa ny tovovavy. Tanjon’i Michah ny hanandratra ny literatiora malagasy, hamerina ao am-pon’ny tanora ny fitiavana ny tenin-drazany. “ Miha ankafizin’ny tanora ny soratra, ankehitriny satria maro izy ireo no lasa tia manoratra. Eny tsy ny soratra ihany fa ny mozika koa aza. Ny lesoka kely dia variana ny hanao izay hampalaza azy  amin’ny vanim-potoana iray izy fa tsy mijery ny hoe ‘hahatety vanim-potoana maro ve ny sorany? Mampita hafatra ve? Ary farany, variana manenjika rima ny ankamaroany…” hoy i Michah, nanazava ny fomba fijeriny ny zavakanto ankehitriny. “Ny vahaolana azoko hifampizarana angamba dia ny hoe ny vakiboky sy ny fanjifana ireny no hany tokana hamerina indray ny fampiroboroboana ny literatiora. araka ny nambarany ho fanabeazamboho ny literatiora, ankehitriny.

Efa maro ny fiakarana an-tsehatra

Betsaka ny tononkalo nosoratan’i Michah, ary efa aman-jatony izany. Efa niaka-tsehatra maromaro naneho ny talentany izy ary efa maro ny loka azony tamina fifaninana tononkalo. “Nanomboka tamin’ny fifaninana rehefa journee des ecole tany amin’ny lisea izany ary teo indrindra no nampafantatra ahy bebe kokoa fa talentako ny soratra satria azoko foana ny laharana voalohany tamin’ny tononkalo. Nisolo tena ny lycee Ambohimanarina tao amin’ny LMA aho ary niakatra tamina dingana ambony kokoa dia tao amin’ny palais de sports. Seho izay nahafaka tanteraka tamin’ ilay izaho saro-kenatra sy mihataka amin’ny maro tia mitokantokana izay. Kolikoly no lohahevitra tamin’izany. Ankoatra izay efa nivahiny tao amin’ny tvm aho, fandaharana andampihazo niantsako tononkalo momba ny Tanindrazana. Teo koa ny antsa nandraisako anjara tao amin’ny cmdelac “loko mena”. Hoy i Michah.

Narilala 

 

Les commentaires sont fermées.