Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanabeazana any Ambatondrazaka: aloa ny saram-pianarana 10 volana

Toa mbola ho lava ny iarahana amin’ny covid-19 sy ny forongony! Ahoana ny fomba hamolahan’ny isan-tsehatra ny olana aterany ? Tsy raharahan’ny fanjakana irery izany.

Anatiny sy aorian’izao hamehana ara-pahasalamana izao, manambara sy mampafantatra ireto sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana ireto : Tsy maintsy ho vitaina ny fandaharam-pianarana 2019-2020 , vao miditra amin’ny programa 2020-2021. Aloa,  araka izany, ny saram-pianarana folo volana 2019-2020”….Raha misy mpianatra avy amina sekoly iray hifindra amina sekoly hafa, hisy taratasy manokana avy amin’ilay sekoly nialany manamarina fa nahefa saram-pianarana izy…” Votoatin’ny “Fanambarana” niainga aminny fanapahan-kevitry ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana amin’ny ambaratonga rehetra hatramin’ny miankina amin’ny finoana – miisa 25 misy ao Ambatondrazaka ireo. Tapaky ny fivoriambe nataon’izy ireo, ny 22 jona lasa teo ary voasonian’ny tale rehetra. Niantsoana mpanao gazety ny famoahan’izy ireo izany. Ireo  kilasy tsy manomana fanadinana, tsy namonjy toeram-pianarana noho ny “fihibohana” indrindra no voakasik’izao fanapahan-kevitra izao.

Hamita ny fandaharam-pianarana

Ho an’ny sekoly iray manana mpianatra 500, ohatra: ray aman-dreny reradreraka no maro. Zara raha 100 no mandoa saram-pianarana sy tonga, isaka ny talata,  maka enti-mody hataon’ny zanany any an-trano. Mamerina izany ny talata manaraka ary maka ny enti-mody vaovao sy mandray ny valiny marina amin’ireo enti-mody naterina…Lany anontana ireo taratasy ny saram-pianarana voangona! Koa niray feo, nandray izao fanapahan-kevitra izao ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana ao Ambatondrazaka. Niato telovolana fahatelo ny ny fampianarana, farany teo,  noho ity areti-mandoza ity. Manaiky ireto mpanabe ireto “hamita ny programa tsy vita aloha vao hiditra amin’ny programa 2020-2021”. Ny fotoan-tsarotra no miteraka hevi-baovao…

Rarivo            

 

Les commentaires sont fermées.