Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fambolena sy fiompiana: zara raha misy 5 % ny mampiasa fitaovana sy milina

Fambolena sy fiompiana: zara raha misy 5 % ny mampiasa fitaovana sy milina

 

Malaza hatramin’izay fa mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana ny maro anisa indrindra ny eto an-toerana, lazaina  fa 80 %. Amin’izao taonjato faha XXI izao anefa, zara raha misy 5 % amin’izany maro anisa izany ny mampiasa  fitaovana sy milina hoenti-miasa any ambanivohitra. Tsy takatry ny tantsaha ny vidin’ireny fitaovana ireny, taranaka mifandimby maro efa  tsy zatra izany, nofinofy ho azy ireo fotsiny.

Tsy hita eto izay fomba hanampiana ny tantsaha. Tsy misy antoka raha hindram-bola ary na mahazo aza, mety hamono antoka azy ireo ny masonkarena hoenti-miasa noho ny rafitra tsy manjary : ny lalana ratsy, ny tsy fandriampahalemana, sns. Ny fananana fitaovana mekanika mampitombo ny vokatra sy tsy mahavizana. Misy ny fanentanana ny tantsaha ho amin’izany amin’ireny tsenabe isan-taona ireny, nefa mitazam-potsiny ny maro.

Ao Antsirabe, ahitana sekoly, efa 35 taona mahery izao, manofana amin’ny fampiasana fitaovana sy milina, saingy tsy misy 1 % amina tantsaha antapitrisany ny nandranto fahaizana  sy mahafehy momba izany. Mitaky vahaolana lavitrezaka ny hanampiana azy ireo. Tokony hojeren’ny minisitera mpiahy amin’ireo mpiara-miombon’antoka.

Ny Eoropeanina indray no malahelo

Ireo firenen-dehibe eoropeanina indray no malahelo mahita ny fambolena sy ny fiompiana aty Afrika ka manao hetsika isan-taona ho an’izany sehatra izany. Fantatra, ohatra, ny fisian’ny Your Agriculture Company (AGCO) mizara sy mampanofa fitaovana. Amin’ny fotoana toa ireny ny hanoloran’izy ireo vahaolana.

Betsaka ny maniry hampiasa izany fa betsaka ihany koa ny sakana, indrindra any amin’ireo tanàna ratsy lalana, ny tsy fananam-bola, tsy ahitana mpampiofana, tsy misy toeram-pikojakojana. Izany aloha raha mitady fahaleovantena ara-tsakafo isika, miampy ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa any ambanivohitra, tena laharam-pahamehana, izay adidin’ny fanjakana.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.