Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahaizana naoty sy solfa: milaza ny heviny i Mbosa

Fahaizana naoty sy solfa: milaza ny heviny i Mbosa

Ilaina ve ny mahay naoty sy solfa ? Namaly io fanontaniana io, omaly, i Mbosa.

Nohazavainy fa «  ny sofina no tena miasa aloha. Mihaino dia mamerina dia mihaino ny natao sy ny niandohana, dia mamerina dia mihaino… ». Nohamafisiny fa « vitsy ihany izany tonga dia hahatafaverina tsy misy tomika ny niandohana (original) izany. Tsy maintsy misy ny “sonianao” na ny angolanao ny famelomana na ny famerenana ilay hira. Izay ny rotinina na  « routine ». Talenta nomen’Andriamanitra io… Izay ny nataoko sy nitranga tamiko tany amin’ny Ataum sy tao amin’ny Solika ».

Nanteriny anefa fa « rehefa mandroso ny taona, be dia be ny takiana sy angatahina aminao. Anisany ny mitaky izany ny mpankafy, ny mpitsikera, ny tanora te hianatra, sns. Mitombo ny karazan-kira sy ny « répertoire »-nao. Mitombo koa ny takianao amin’ny tenanao na  ny « performance ». Mihena anefa ny fitadidinao sy ny herinao… Mila fitaovana sy fomba hanatanterahana izany ianao. Indrindra raha tsapanao fa nomena talenta tokony ho zarainao ianao… ary manana iraka sy andraikitra. Dia tsapa fa tokony mahay naoty sy solfa (atambatro hoe “sorapeo”) ianao.

Nofeheziny tamin’ny hoe : « Ataovy ny rotinina hahaizana hira haingana tsy misy mpampianatra sy hanaovana hira “kapo-batana” (mitendry hira mbola tsy nianarana fa efa re fotsiny). Ianaro sy fehezo ny sorapeo (solfa sy naoty). Tsy misy taona ny fianarana sorapeo

Marihina fa anisan’ireo mpihira sy mpitendry bagasy manana traikefa matanjaka tokoa i Mbosa Rabenasolo.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.