Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mila ijoroana ny ady atao

Mila ijoroana ny ady atao

       Mbola mafy, sarotra, mitarazoka ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 amin’izao. Nahoana? Saika tsy miova firy na mitombo isa aza ny tranga vaovao amin’ny fitondrana ny tsimokaretina Conoravirus, be lavitra no ho ireo marary sitrana tanteraka. Mitombo isa izany ny isan’ny marary manaraka fitsaboana. Mandra-pahoviana? Eo no raharaha.

Tsy fahazakana lazon’ady sa fahalainan-kisahirana noho ny ady efa ho lava? Iray ihany izany, ary iray ihany ny vahaolana azo antoka fa mahomby amin’izao fiatrehana ny fihanaky ny valanaretina Covid- 19 izao: fanarahana manontolo sy amin’ny antsipiriany ireo fepetra fiarovan-tena sy fiarovana ny hafa. Fisorohana ny tsimokaretina tsy hahazo ny tena sy tsy hihanaka.

Efa ho lava ny fitenenana mandrakariva ny amin’izay fitandremana tokony hatao? Nefa tsy misy afa-tsy izay ihany ny vahaolana azo antoka indrindra: tsy azo ialana, tsy maintsy atao. Ny tsy fanarahana izany no mahatonga izao fiparitahan’ny tsimokaretina aretina haingana sy maro izao, be loatra ny gaboraraka etsy sy eroa. Fanahy iniana na tsy firaharahana fotsiny izao?

Ndeha iandrasana sy ankinina amin’ny mpitandro filaminana irery ny fampanajana sy ny fanaraha-maso izany? Mila fandraisana andraikitry ny tsirairay: tsy fanekena fotsiny izao izay mety ho tsy fanarahan-dalàna rehetra ao anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana izao. Na aiza izany na aiza, na iza na iza. Tsy efa tokony hijoro sy hosarotiny amin’izany ny tsirairay amin’izao?

Tsy izay vitsivitsy tsy manao antsirambina ihany tsinona no mitondra faisana fa ny rehetra no tsy afa-bela… Tsy ho vita sy mampiady ny mifanara-maso sy mifampiteny? Ny rehetra no voa mafy amin’izany, miara-mizaka tsy fidiny ny fahamehana ara-pahasalamana… tsy misy farany izao. Mandra-pahoviana? Mila miady ny rehetra, raha tiana ny ho tafavoaka haingana amin’izao.

Endriky ny ady iray izay? Fahavoazana raha miezaka ny tena, nefa ny ataon’ny hafa tsy miraharaha ny mahatonga ny vahoaka sy firenena toy izao. Mila afa-bela amin’izay amin’izao fahamahena ara-pahasalamana efa ho lava izao?

Rafaly Nd.               

 

 

 

Les commentaires sont fermées.