Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Arahaba… Samy tonga saina

Maro ny olona nitaraina alahelo nohon’ny fandraisany ho fanilikilihana ny vahoaka ny fandrarana ny mponina anatrika ny matso, izay nampiseho endrika vaovao tamin’ny fomba fihetsika sy fahakingana ary fitaovana tsy mbola fahita teo amin’ny sampana maro karazana ao amin’ireo hery fiarovana ny firenena fitandrovana ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Tsy diso toerana izany fahalelovana izany, tsy afaka kosa anefa tonga dia anome tsiny ny fitondrana, noho ity valan’aretina ity dia iarahana mahafantatra fa fanomezana vahana an’ilay fahavalo, ilay otrik’aretina, ny famoriana olona aman’arivo hivangogo eo amin’ny toerana iray, na inona na inona ezaka tsy afaka ny tsy ifampikasokasoka etsy sy eroa. Tsy azo adino fa fikasohana kely eo amin’ny fifanenana dia ampy iantsapazan’ilay otrik’aretina, ao ireo mifikitra eny amin’ilay efa nitoerana mizara ny sasany iampita eny amin’ilay olona nifanenana. Arak’izany raha maro ny olona ka misy na olona iray ihany aza no mitrotro an’ilay virus vetivety eo dia toy ny tsipolitra afafy ny fiparitahany. Izany amin’izao fotoana izao no antony ahafahan’ilay aretina covid mihanaka izay tsy izy toy ny teo aloha. Mbola voafehy ilay izy raha mbola vita ny fanarahana ny dia alehany, misy fetra anefa izay ka raha izay fetra izay no tafahoatra dia vita eo ny fifehezana azy.
Raha iverina amin’ilay fankalazana ny fety moa dia angamba iarahana manaiky fa tsy fidin’iza ny teritery noho ilay coronavirus, nefa rehefa izay ihany moa no tsy maintsy atrehana dia angamba afaka ho lazaina fa ny tombony teo amin’ny sakatsakana nateraky ny toe-javatra dia nitarika fahatsapan’ny olona maro fa tena tompon’ny 26Jona izy izany hoe olom-pirenena tompon’adidy no manan-jo. Ao ireo mbola tsy niatrika izany hoe matso lehibe izany no rehefa tonga ny tsy fahafahan’ny be sy ny maro anatrika an’izany vao tonga saina ho voafehifehy amin’ny zo maha olom-pirenena azy sy lasa vonton’ny fahatsapana fa tena tompon’izany feti-pirenena izany. Dingana lehibe tsy afaka amaivanina izany. Toy ny voalaza tetsy aloha moa dia ny zo tsy misaraka amin’ny adidy, ka arak’izay dia samy nandroso amin’ny fahatsapany ho tompon’adidy koa ny maro. Tsy ho entina anaovana alahelo na ho fahavononana an’eritreritra fotsiny izany fa rariana ho tonga ezaka ho fanatanterahana aman’hetsika sy fitondran-tena. Afaka antenaina arak’izany fa anio dia hitombo ny isan’ny olona hitsinjo bebe kokoa ny fomba fanajany an’ireo fepetra napetraka ho fanoherana ny fiparitak’ilay valan’aretina efa miteraka ahiahy lehibe ny fieliny amin’izao fotoana izao.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.