Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

ENSP: Major de promotion ny kaomisera Hanitriniaina

Nitondra avo ny lazan’ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena malagasy ny zava-bitan’ny kaomisera Hanitriniaina Ramiliarisoa, nandritra ny fiofanana nataony tao amin’ny sekoly ambonin’ny polisim-pirenena (ENSP) ao Saint-Cyr-au-Mont-d’Or (Lyon France). Izy no « major de promotion » tamin’ireo andiany faha-71 tamin’ireo mpiofana tao amin’ity sekoly ambony ho an’ny polisim-pirenena ity. Notanterahina ny zoma 26 jona teo ny lanonana famoahana ireo mpiofana izay notarihin’ny minisitry ny Filaminana anatiny frantsay, Christophe Castaner. Raha fintinina fohy ny lalana nodiavin’ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena ity mialoha ny nahatongavany tamin’izao dingana izao dia toy izao : Manana ny mari-pahazaina Master amin’ny sampana lalàna izy ary efa mpanao gazety nikirakira manokana ny trangam-piarahamonina sy ekonomia tao amin’ny gazety Ao Raha izay ao anatin’ny vondrona l’Express de Madagascar. Isan’ireo mpanao gazety nahafehy manokana ny trangam-piarahamonina izy ka nahatonga azy nandray anjara tamin’ny fanadinana fifaninanana hidirana ao amin’ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena, ny taona 2015. Nahazo ny laharam-boninahitra ho “commissaire de police” izy taorian’ny fiofanana nataony teo anivon’ny sekoly ambonin’ny polisim-pirenena (ENSP) Ivato, ny taona 2017.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.