Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

« Efa nijery ireo vata-mangatsiakan’ireo lehilahy telo maty voatifitra teny Marais Masay  ny havany », hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny tranom-patin’ny HJRA. Nambaran’izy ireo fa mbola tsy naka ireo razana kosa izy ireo. Voamarina koa fa olona avy any Toliara ny iray amin’ireo maty ireo raha avy eto Antananarivo ny iray. Tsy fantatra kosa ny toeram-piavian’ilay lehilahy iray. Tsiahivina fa maty, nandritra ilay fifanenjehana teny amin’ny lalana Marais masay, ny alarobia teo, izy ireo, raha nikasa hanafika sinoa mpandraharaha iray teny Analamahitsy.

Les commentaires sont fermées.