Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nandritra ny fetim-pirenena: nihena ny loza nitranga

Nihena tsy toy ny fahita isan-taona ireo loza samihafa nandritra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena, araka ny tatitra voaray tetsy amin’ny hopitalin’Ampefiloha, omaly. Fantatra fa mitotaly 24 ireo voaray tao amin’ny sampana vonjitaitra, omaly hatramin’ny 4 ora. Ny telo amin’izy ireo, tazomina arahi-maso ao amin’ny hopitaly raha nalefa nody kosa ny hafa rehefa nahazo fitsaboana sahaza azy. Mitotaly 12 ireo « accident à responsabilité civile ». Olona enina ireo naratra vokatry ny loza andavanandro niseho tany an-tokantranony (accident domestique). Olona miisa efatra manaraka fitsaboana vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Olona iray koa tazomina ao amin’ny HJRA vokatry loza niseho teny an-dalàna (accident sur la voie publique). Olona iray kosa mbola manaraka fitsaboana vokatry ny aretina nahazo azy.

Ho an’ny sampana famelomana aina, olona miisa telo tazomina tao an-toerana nanaraka fitsaboana, hatramin’ny omaly. Roa amin’izy ireo, marary vokatry ny hamamoana diso tafahoatra raha saika hamono tena kosa ny iray. Izy izay voamarina fa misy ratra any amin’ny loha. Mitotaly 78 kosa ireo niditra tao amin’ny HJRA nandritra 25 jona.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.