Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Mpiasan’ny Jirama miisa roa nidoboka am-ponja sazy mihatra herintaona, tamin’ireo 14 voarohirohy tamin’ny halatra solika tao Mandritsara taorian’ny didim-pitsarana, omaly. Olona miisa valo kosa afaka madiodio tamin’io tranga io. Mpiasan’ny Jirama iray afaka noho ny fisalasalana, roa kosa sazy mihantona enim-bolana an-tranomaizina. Olona iray hafa koa tratran’ny sazy mihantona enim-bolana an-tranomaizina. Tsiahivina fa 67 litatra ireo gazoala nisy nangalatra tao Mandritsara, ny 20 avrily lasa teo. Tranga izay nampimenomeno ireo mponina tao an-toerana vokatry ny fahatapahan-jiro matetika niseho nandritra izany.

 

Les commentaires sont fermées.