Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nitsoaka ny fonjan’Ambatolampy: voasambotra koa i Apollinaire

Tra-tehaky ny fokonolona tao Anosifito, kaominina ambanivohitr’Antsampandrano, distrikan’Antanifotsy Rakotozanany Apollinaire, lehilahy manodidina ny 40 taona, ny alakamisy, tamin’ny 5 ora hariva, teo ho eo . Efa tsikaritr’ireo fokonolona nihaodihaody tao an-toerana izy ka nanaovana vela-pandrika avy hatrany. « Nisy ny fiaraha-miasa nataonay miaraka amin’ny fokonolona tany an-toerana. Izay isan’ny nanamora ny fisamborana an’io lehilahy atidoha nikotrika ny fitsoahana ny fonja io, ka izao voasambotra izao. Isaorana ny fokonolona ao Anosifito sy ny zandarimaria tamin’ny nahasamborana azy », hoy ny fanazavan’ny mpandraharaha ny fonjan’Ambatolampy, omaly hariva tamin’ny antso an-telefonina. Nambarany fa mpamerin-keloka ralehilahy ary malaza amin’ny fanaovana odigasy. Ora vitsy taorian’ny nahatrarana azy, tokony ho tamin’ny 8 ora sasany alina, nalain’ireo zandary ilay gadra nitsoaka io ka naverina ao amin’ny fonjan’Ambatolampy indray. Naman’izy ireo miisa efatra kosa mbola karohina amin’izao.

Tsiahivina fa miisa enina ireo gadra nitsoaka ny efitra nisy azy tao amin’ny fonjan’Ambatolampy, ny alatsinain’ny pentekoty teo. Ankehitriny, gadra miisa roa tamin’ireo enina ny efa voasambotra ka naverina am-ponja.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.