Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Na mangingina aza dia olom-pirenena lalandava

Eo an-daniny ny ahiahy ary ahiahy mitombona nohon’ny firongatr’ilay valan’aretina, eo an-kilany ny tsy fananana apoapoaka ahafahana milanonana toy ny isan-taona, na isan-taona io aza anie dia tsy maintsy omanina mialoha anilihana kely isam-bolana ahafahana mitahiry ho an’ny tsigerin-taona mifandimby toy ny fanaovam-beloma ny taona dila sy ny fiarahabana ny taona mitsidika, na toy izao 26 Jona firavoravona sy fihobiana nohon’ny andro fitsingerenan’ny nazahona ny fahaleovantena izany hoe fahafahana avy ao amin’ny gejan’ny fanjanahana. Fotoam-bita anefa tsy mahaleo ny sampona, ity indray mitoraka ity moa dia sampona ka sampona lehibe moa raha ity coronavirus manerana ny tany eran’izao tontolo izao. Efa aman’hetsy ny ain’olona nofaohany, aman-tapitrisa maro ny olona nasin’ilay aretina covid 19 ary maro amin’izy ireo no, na nahavotra aina aza dia tena nandamaka. Madagasikara sy ny mponina eto aminy azo lazaina ihany fa tsy niatra ny etraketrak’izy io toy ny firenena hafa any ivelany sy ny mponiny mitoetra any aminy, nefa tato ho ato izay tsapa fa mitombo fahasiahana ilay tsimokaretina sy ny aretina aterany, izany hoe mbola tsy afa-bela isika ka mila mitandrina. Ny fitondrana moa dia ireny heno nampaka-peo ireny nampitandrina amin’ny filazana ny fahavononany hisambotra an’izay rehetra tsy manaraka ny fepetra voalaza toy ny olona tsy manao aro-tava. Aman’arivo aman’alina anefa ny isan’ireo olona mandikadika fepetra, samy mahafantatra anefa ny rehetra fa tsy afaka atao inona izy ireo, samborina ho atoby aiza sa terena handoa lamandy ? Ny sakafo ho haniny aza efa zara raha itany no sady efa mamaofao volo raha ahita kely tsy ampy ampanginana ny ambavafo izay tsy mijanona mikarokaroka nohon’ny anoanana. Tany mena tsy mirehitra. Noho izany tsy ny fanjakana no andrasana fa ny olona tsirairay no tsy maintsy miezaka ifehy tena. Tsy afaka anao tondro miandry reny ity ny vahoaka, mandalo fotoan-tsarotra ka mihoatran’ny fahantrana ny fiantefan’ny sedra, ny fahendren’ny vahoaka no tsapain’ny toe-draharaha. Ny fahantrana moa eo amin’izany tsy miala maina fa eo lalandava, enta-mavesatra lanjaina tsy afaka apetraka, tombo-pahasahirana eo ami’ny ezaka tsy maintsy atao izakana sy isedrana fotoan-tsarotra anisan’izay sarotra indrindra nodiavina. Ny maha olom-pirenena anefa tsy hita ho adinoina, ka tena tsy fidiny ny tsy fandraisana anjara amin’ny lanonana fankalazana ny feti-pirenena. Avela ho adidin’ireo manamboninahitra ny fankalazana an’izany solontenan’ny vahoaka manontolo amin’ny fampisehoana sy fanambarana fa na sahirana aza ny vahoaka ny firenena mijoro lalandava.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.